<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Bokin-kiran'ny Martiora</author>
<title>Mandrenesa ry sofina FFPM263</title>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Mandrenesa ry sofina,
 Mifalia, ry fo ;
 Ny feon'ny Filazantsara
 Manatona anao.

[V3]
 Ry olon'ota rehetra,
 Ry ory sy noana,
 Izay mameno ny kibony
 Amin-java-poana.

[V4]
 Jehovah no mamboatra
 Izay mofon'aina,
 Ho an'izay rehetra
 Mety hihinana.

[V5]
 Kraist'sy ny fitahiany
 Izany mofo izany,
 Fa Izy no mamelona
 Ny maty mosary.

[V6]
 Avia, ry mosarena,
 Ka manarana fo ;
 Ny mofon'aina tsy lany
 Fa ampy ho anao.</lyrics>
<hymn_number>263</hymn_number>
</song>